Fandriampahalemana

Fifamonoana tao Esira Raikitra ny savahao sy ny fisamborana


  • Talata 07 Febroary 2023

Taorian’ilay raharaha fifamonoan’ny andian’olona tany Esira ny sabotsy 04 febroary teo, raikitra ny bemidina nataon’ny Olom-panjakana nanomboka ny alahady teo,

notarihin’ny governoran’ny Faritra Anôsy Atoa Jocelyn Raharimbola sy ireo mpikambana ao anatin’ny OMC (Organe Mixte de Conception) avy any amin’ny faritra nahitana ny Fileovan’I Tolagnaro, Distrikan’Amboasary Atsimo, Fitsarana, Miaramila, Polisy, Zandary. Raha hiverenana, olona 6 no maty : 5 avy amin’ny fianakavian’Atoa Gervais (Besakoakely) niharan’ny fanafihana, 1 avy amin’ny fianakavian’Atoa Remena(Mitraiky) izay nanafika, am-polony hafa naratra avy amin’ny roa tonta. “Ampahafantarin’ny fitondram-panjakana anareo manomboka anio, fa tsy afaka manao izay tianareo ianareo fatsy maintsy manaraka ny lalàna. Baiko no omen’ny fitondram-panjakana ny mpitandro ny filaminana hisambotra izay nahavanon-doza. Tsy azo ekena, tsy mety ny fandatsahana ain’olona, fa tany misy Fanjakana”, ...”, hoy ny ampahan’ny fanambarana hentitra nataon’ireo Governora tamin’ireo vahoaka tao Esira. Nanamafy fa mila samborina ao anatin’ny fotoana farany izay haingana izay nahavanon-doza, tsy maintsy andraisana fepetra tsy ho ela ihany koa ny handaminana ny disadisam-piaraha-monina ao Esira ity, mba hisorohana ny tsy hiverenan’izany intsony amin’ny manaraka. Am-polony no efa voasambotra, ka misy ny ahiana ho nandray anjara mivantana tamin’ny fandatsahana aina, raha ny vaovao azo. Nifanindran-dalana tamin’io ny fitondrana ny teny fankaherezana avy tamin’ny anaran’ny Fitondram-panjakana sy fitsapana alahelo ho an’ireo fianakavian’ny mana-manjo nataon’ireto Delegasiona ireto, ary fanolorana fanampiana vonjimaika (vary,fanitso) ho azy ireo. Ankoatry ny fandatsahana ain’olombelona mantsy dia nisy ihany koa ny fandorana trano miisa 12 sy fakana an-keriny ny fananan’ireo fianakaviana niharan’ny fanafihana, rah any tatitra. Nandritra ny dian’ireo manam-pahefana no namantarana sy nanadihadiana ny antony sy ny zava-misy marina, ka nahatonga izao fifamonoana feno habibiana izao. Eo ny fisamborana sy ny fampiharana ny lalàna ary ny famaizana, kanefa mety hampilamina ny olana sy ny disadisa izay mety mifamatotra amin’ny tantara, ny fomba, ny foko, fihaviana,… ve izany ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Fandraharahana ny fonja
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nandray ny fibaikoana ny DGAP

  • TSENAN'ANOSIBE
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nihena 4 ny mpangarom-paosy

  • Mahazomà Maevatanana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Olona 5 indray maty, omby

  • MORON’NY FARIHIN'ANOSY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Fatin-dehilahy iray hita

  • Fanafihana eny amin’ny RN1
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Matin’ny zandary i Njato

  • Ny olona tsy ampy,
  • Talata 28 Aprily 2026

ny ambana mitombo, ny fitaovana efa fahagola,

Hijery ny tohiny
FTT