Fandriampahalemana

Fifamoivoizana sy filaminana eto Iarivo Raikitra ny fametrahana “Caméra de surveillance”


  • Alakamisy 17 Oktobra 2019

Mba hialana amin'ny fitohanan'ny fifamoivoizana sy mba hisian'ny fandriampahalemana eto an-drenivohitra dia hasiana “caméra de surveillance”

 

avokoa ny rond-point maromaro eto Antananarivo Renivohitra: Ampasampito, Analakely, Anosy, 67ha, Ampasika, Ankazomanga, Antanimena,... Ny OTME (Office des Transmissions Militaires de l'État) no miantsoroka io tetikasa io. Fananana iombonana ireo ka aoka samy ho tompon'andraikitra ny tsirairay, hoy ny mpitandro ny filaminana. Raikitra izany ny fampiasana ny teknolojia hoenti-manamora ny fandraisana andraikitra amin’ny fandaminana ny fifamoivoizana satria miainga avy amin’ireny no hahafaha-manana antontam-baovao haingana avy amina ivontoerana iray hoenti-manome toromarika ny mpitandro ny filaminana miantsoroka ny fandaminana. Avy any amin’ny « serveur » iray no afaka manome vaovao sy toromarika ireo mpandrindra ny fifamoivoizana. Mendri-piderana ny finiavana tahaka izany, ka ny hirariana mba hitondra vokatra tsara sy hamaha ny olana na dia mety ho amin’ny ampahany ihany aza aloha amin’ny voalohany. Tsy afa-misaraka amin’ny teknolojia rahateo ny fiainana andavanandrontsika amin’izao fotoana izao, ary anisan’ny mivoy sy manolo-kevitra ny hitrandrahana sy hampiasana azy io ny Tia Tanindrazana.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • VONO OLONA-FISOLOKIANA...
  • Alakamisy 18 Jona 2026

« Vokatry ny tsy fahampian'ny fanabeazana »

  • Olona varira any ITASY
  • Alarobia 17 Jona 2026

Maniry ny hisian'ny

  • TOVOLAHY MAMON-DRONGONY
  • Talata 16 Jona 2026

Maty notsondrominy

  • INFIRMIERA MPIANA-DRAHARAHA
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nofatorana, naolana avy eo novonoina

  • RN1 - Sprinter sy fiara
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

mpitatitra entana nifandona

  • Fanondranana an-tsokosoko
  • Zoma 12 Jona 2026

sokatra Efa tambazotra tsara mpiaro ?

Hijery ny tohiny
FTT