Fandriampahalemana

Fidorohana rongony sy fitazonana basy 5 mianadahy, voasambotra tany Mahajanga


  • Alatsinainy 09 Mey 2022

Olona miisa dimy ahitana lehilahy efatra sy vehivavy iray no nosamborin'ny Polisin'ny UIR ao Mahajanga ny zoma 06 sy ny sabotsy 07 mey lasa teo

rehefa nidoroka zava-mahadomelina sy nitazona basy tsy ara-dalàna izay fikambanan-jiolahy tao an-drenivohitr'i Mahajanga. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia mandray zava-mahadomelina mahery vaika toy ny Héroïne sy rongony izy ireo. Manamarina izany ireo fonosan-drongony sy Héroïne tratra teny amin’izy ireo nandritra ny fotoana nanaovana ny fisavana ny tokantranony sy ireo fitaovana maro isan-karazany fampiasan'izy ireo. Tratra tamin'izany ihany koa ny basy PA tsy ara-dalana. "Ecstasy" fonosana roa, 8,42 grama na héroïne, fonosan- drongony miisa roa no azo taorian'ny fisavana. Efa noentina eny amin'ny Biraon'ny Polisy any an-toerana izy dimy mianadahy ireto nanaovana fanadihadiana.
Nangonin’i Pati

Legende : Ireto izy 5 mianadahy tratra
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT