Fandriampahalemana

Fidirana ho polisy Ny 18 sy ny 19 martsa ho avy izao ny fanadinana


  • Alarobia 15 Febroary 2023

Hotanterahina ny 18 sy 19 martsa ho avy izap ny fifaninanana hidirana ho mpianatra ho Polisy ( sokajy : Agent de Police , Inspecteur de Police, Officier de Police , Commissaire de Police ) dingana voalohany.

Amin’ny Alakamisy 16 febroary ho avy izao no fara fisoratana anarana raha araka ny loharanom-baovao azo . Ho an'ireo izay mbola tsy nahavita ny antotan-taratasy dia mbola afaka mijery ny andinindininy ao amin'ny tranokalam-pifandraisan'ny Polisim-pirenena (www.pn.gov.mg) sy eny amin'ireo toerana hiasan'ny Polisim-pirenena. Ho an'ny any amin'ny faritra kosa dia hita eny anivon'ny fitaleavam-paritry ny Polisim-pirenena izany . Ho an'ireo izay efa nahavita ny fanaterana ny antontan-taratasy rehetra diaafaka manatona ny foibem-panadinana izay nosoratany tao amin'ny "fiche d'inscription " izy ireny manomboka ny 14 Martsa ho avy izao , ary amin'ny fotoana io no hivoaka ny anarana sy ny laharan'ireo kandida afaka miatrika ny fanadinana izay mahafeno ny fepetra ara-dalana amin'ny mahampiadina azy sy ny toerana voatondro hanatanterahana izany. Ny fizarana ny taratasy fiantsoana ihany koa dia azon'ny kandida anontaniana eny amin'ny foibem-panadinana izay nosafidiany amin'ny fotoana hizarana izany. Ny fanaovana hosoka sy ny fampiasana hosoka amin'ny antotan-taratasy hampiasain'ny kandida dia henjehin'ny lalana ary tsy mandefitra amin'izany ny Polisim-pirenena fa ho enjehina araka ny lalana velona sy manan-kery.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT