Fandriampahalemana

Fidirana ho polisy Nahemotra amin’ny 9 sy 10 jolay ny fanadinana


  • Alarobia 25 Mey 2022

Nahemotra amin’ny 09 sy 10 jolay ho avy izao ny fotoana hanatanterahana ny fanadinana hidirana ho polisim-pirenena eto amintsika.

Nahemotry ny tompon’andraikitra hatramin’ny 10 jona koa araka izany ny fara fanaterana ireo antontan-taratasy maro samihafa ilaina hanampiana ireo nitaraina fatratra fa tsy maintsy nanafatra kopia tany ambanivohitra lavitra. Tsiahivina moa fa ankoatra ny diplaoma toy ny BEPC izay ilaina dia ilaina ihany koa ireo karazana taratasy momba ilay olona toy ny fanamarinam-ponenana, ny kopia mari-pahaterahana, ny atrikefa efa hananany….Na izany aza marobe ireo efa nahavita nanatitra ny antontan-taratasy raha mbola marobe ihany koa ireo ho avy hanatitra. Nampanantena moa ny tompon’andraikitra fa hangarahara tanteraka ny fifaninana ahitana ireo tena nianatra sy vonona amin’ny fanompoana ny tanindrazana marina.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT