Fiarovana ny momba ny tena

manokana Tafatsangana ny CMIL


  • Alakamisy 29 Janoary 2026

Nankalazaina omaly Alarobia 28 Janoary

ny andro iraisam-pirenena ho fiarovana ny momba ny tena manokana. Tetsy amin'ny hôtel Carlton Anosy no nanatanterahana izany ka nampahafantarana ny fitsanganan'ny CMIL na ny Commission Malagasy de l'informatisation et de liberté ahitana tompon'andraiki-panjakana maro toy ny mpahay lalana, ny solombavambahoaka...Nambaran'ny depiote voafidy tany Ivohibe Rtoa Clarisse Manjary izay Filoha misahana ny fampandrosoana ara-nomerika eo anivon'ny Antenimieram-pirenena fa tena tombony lehibe ho an'ny Malagasy ny fijoroan'ny CMIL. Hiaro ny olom-pirenena amin'ny firoboroboan'ny fampiasana ny tambajotran-tserasera Facebook no antom-pijoroany indrindra fa ireo zaza tsy ampy. Ao anatin'ny tambajotran-tserasera Facebook mantsy raha ny nambarany no miasa ireo mpanao ratsy mamotika ny zaza Malagasy mampiseho sary tanorakely nefa rehefa mifanao fotoana dia lahy antitra efa za-draharaha amin'ny fanimbana zaza no ao ambadila. Toraka izany koa ireo mpisoloky izay maka ny mombamomba ny olona iray hahafahany manao ratsy...Hidina ifotony hampianatra sy hanao fanentanana ny olom-pirenena araka izany ny CMIL hahafahana miaro ny tsirairay. Tsy tsara hoy ity depiote ity ny mampidera na mampiseho ny fiainan'ny tena iray manontolo anaty tambajotran-tserasera Facebook. Miantso ny fanjakana mba hanampy azy ireo araka izany ny CMIL hanombohany ny asa avy hatrany. Tsiahivina moa fa efa tamin'ny taona 2006 no noketrehana ny fitsanganan'ny CMIL. Nisy araka izany omaly ny fanaovana jery todika ny asa vitan'izy ireo sy ny ho avin'ny kaomisiona.
Pati
Légende : Rtoa Clarisse Manjary solombavambahoaka voafidy tany Ivohibe !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT