Fandriampahalemana

Fiarovana amin’ny 26 jona Hampiasa « Drone » ny mpitandro ny filaminana


  • Alakamisy 22 Jona 2017

Ho faran’izay hentitra ny fitandroana ny filaminana amin’ny andron’ny fetim-pirenena ny 26 jona izao, indrindra fa ny ao anatin’ny kianjaben’i Mahamasina sy ny manodidina azy rehetra.

Tsy mbola afaka ao an-dohan’ny maro tokoa mantsy ny fipoahana tao Mahamasina nahafatesana olona 3 sy naharatra olona efa ho 90 ny hariva rehefa raikitra ny rindran-kira teo Mahamasina.Iaraha-mahita ny asan-jiolahy sy herisetra etsy sy eroa amin’izao fotoana, efa nampandre omaly ny avy ao amin’ny prefektioran’Antananarivo renivohitra fa fepetra hentitra sy henjana no ampiharina amin’ny fitandroana ny filaminana amin’ny fetim-pirenena ny alatsinainy ho avy izao io. Raha nanontaniana ny loharanom-baovao iray ao amin’ny mpitandro ny filaminana omaly hariva dia nanamafy fa hisy ny fitaovana vaovao sy raitra tsy mbola fahita teto hatrizay hampiasaina eny Mahamasina sy ny manodidina amin’ny 26 jona, vao maraim-be ka hatramin’ny fahataperan’ny Podium ny hariva dia hiasa eny hatrany ny mpitandro ny filaminana avy ao amin’ny EmmoFar Antananarivo ahitana zandary, miaramila ary polisy. Ankoatra ny fisavana ny isam-batan’olona dia hisy ny karazana fitaovana apetraka amina toerana voatondro manokana hitsirihana ny olona izay hiditra ao amin’ny kianjaben’i Mahamasina, hoy hatrany ny fanazavana voaray ary mety hisy mihitsy aza ny fampiasana « Drone » hitsirika sy haka sary avy eny ambony eny mba hamantarana ny olona manao fihetsika mampiahiahy. Na inona na inona antony dia tsy tafiditra ao Mahamasina ny fitaovana maranitra sy ny tavoahangy na zavatra hafa mety azo avadika ho fitaovam-piadiana, hoy hatrany ny fanazavana. Mbola eo am-pandrafetana ny paikady sy fomba fiasa hiatrehana ny amin’ny 26 jona io ry zareo mpitandro ny filaminana izay tsapa tokoa fa hanao izay fara heriny mba hisorohana ny savorovoro sy fampihorohoroana mety hitranga. Hosamborina avy hatrany, araka ny fantatra, ireo rehetra manao fihetsika hafahafa na tsy manaraka ny fandaminana. Hatreto moa na efa misy aza ny olona nalaina am-bavany sy natao fanadihadiana dia tsy nipoitra ny tena marina momba ilay fipoahana teny amin’ny kianjaben’i Mahamasina ny takarivan’ny 26 jona 2016, izany hoe herintaona lasa izay.

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Olona varira any ITASY
  • Alarobia 17 Jona 2026

Maniry ny hisian'ny

  • TOVOLAHY MAMON-DRONGONY
  • Talata 16 Jona 2026

Maty notsondrominy

  • INFIRMIERA MPIANA-DRAHARAHA
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nofatorana, naolana avy eo novonoina

  • RN1 - Sprinter sy fiara
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

mpitatitra entana nifandona

  • Fanondranana an-tsokosoko
  • Zoma 12 Jona 2026

sokatra Efa tambazotra tsara mpiaro ?

  • FOKONTANY ANKAZOTOHO
  • Alarobia 10 Jona 2026

ANOSIZATO ANDREFANA

Hijery ny tohiny
FTT