Fandriampahalemana

Fiarakaretsaka Hatao nomerika ny licence manomboka izao


  • Zoma 29 Mey 2020

Hatao nomerika manomboka izao ny licence-n’ny fiara karetsaka miasa eto an-drenivohitra hialana amin’ny kolikoly sy ny tsy ara-dalàna ary maimaim-poana izany.

 

 

 

 

 Nivoitra io nandritra ny fanazavana nentin’ny kaominina mikasika ny asa fanavaozana tanterahin’izy ireo ho an’ny fiara karetsaka eto amintsika. Tsy ao anatin’ny tetikasan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra kosa ny famerenana ny « lanterne » hoy hatrany izy ireo raha tsy andraikitry ny omavet intsony ihany koa ny fanaovana contre visite. Mikasika ny fizarana ny vatsy Tsinjo ho an’ny mpamily fiarakaretsaka manokana dia nahatratra 2000 ireo mpamily voamarina fa ara-dalàna sy nahavita « visite de conformité » tamin’ny nanombohana ny fizarana izany fanampiana izany. Ankehitriny kosa efa mihoatra ny 4000 no ara-dalàna ary mbola mitohy ny fikarakarana ireo ambiny tsy mbola nahazo izany. Tanjon’ny kaominina moa ny hitondrana ny mangaraharaha mikasika ny tetikasa tanterahin’izy ireo eo anatrehan’ny vahoaka.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT