Fiarahamonina miharatsy

Mitombo ny halatra voninkazo


  • Alakamisy 11 Aprily 2024

Mitombo isa isan’andro ireo mpangalatra voninkazo eto amintsika.

Tsy hanavahana intsony izany na lafovidy na antonony vidy fa hataon’ireo tontakely mahita avokoa rehefa azo havadika ho vola. Hatreto dia ny milliardaire, anthurium, belle du jour, fleur de lune, orchidées, cymbidium, phalaenopsis, shibori, no tena tsiriritin’ireo mpangalatra. Efa mahatratra an’hetsiny mantsy ny vidin’ny sasany amin’izy ireny izay marihina fa ireo mpanam-bola no tena manana azy. Miantso ireo olona manana ireny karazam-boninkazo ireny ka mivarotra ny CIRGN Antananarivo noho izany mba tsy ho diso hahatoky olona loatra ka hanoro ny toerana famboleny voninkazo...Lasa manome fakam-panahy ireo mpanao ratsy mantsy izany hoy izy ireo, ny fiainana rahateo mihasarotra. Tsiahivina moa fa am-polony ireo olona efa nitaraina ho very voninkazo teo an-tokontany sy teny an-davarangana teto an-drenivohitra sy ny manodidina ka anisany ireo voalaza etsy ambony ireo. Na izany aza dia nanamafy sy CIRGN fa zon’ny tompon’ny voninkazo tsara ny mitory raha tojo fahaverezana izy ireny.
Pati
Legende : Santionany amin’ireo karazam-boninkazo lafo vidy tena katsahin’ny mpangalatra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT