Fiarahamonina malagasy

Feno tsy fandriampahalemana amin’ny endriny rehetra


  • Talata 05 Novambra 2024

Lasa feno tsy fandriampahalemana amin’ny endriny rehetra ankehitriny ny fiarahamonina malagasy.

Tsy ilay endriny mahazatra toy ny sinto-mahery sy fanendahana na asan-jiolahy sy dahalo ihany fa lasa miampy endrika fisolokiana isan-karazany amin’ny fomba mihaja sy fifanambakan’ny samy mpiara-monina ihany koa. Ny JIRAMA io iaraha-mahita io ny ataony fa mbola sady sahy manasazy mpanjifa amin’ny fitakiana 5% amboniny ihany raha sendra tara ny fandoavana faktiora no mbola tsy miova ihany koa ny saran’ilay herinaratra sy rano tongany any an-tokantranon’ny mpanjifa ao anatin’izay faktiora izay. Herinaratra sy rano izay zara raha misy ora vitsy sisa azo isitrahana azy ao anaty tontolo andro. Toy izany koa etsy ankilany ny ataon’ireo orinasam-pifandraisan-davitra amin’ny alalan’ity saram-pifandraisana midangana dia midangana ity kanefa dia misy manome fanazavana koa ny sasany amin’izy ireo ankehitriny fa tsy afaka ny hanome fahafaham-po ho an’ny mpanjifany noho ny fisiana olana tekinika any am-potony. Nahafa-po anefa ve moa ny tolotra nomeny talohan’izay? Hatramin’ireo orinasa mpanome tolotra haino aman-jery amin’ny alalan’ny satelita, izay efa manomboka manenika an’Antananarivo renivohitra ankehitriny koa aza dia tsikaritra ho manomboka mametraka fomba fiasa toy izany. Ny resaka fangalara-danja sy ny fampifangaroana akora hafa amin’ny filàna an-davanandro sy sakafo hafa ataon’ireo mpivarotra eny an-tsena moa dia tsy vitan’ny hoe tsy afaka hatramin’izao fa vao mainka mirongatra ihany koa. Hatrany amin’ireo heverina ho tokony fanabeazana sy soatoavina tahaka ny fikabariana aza misy mampiasa ny antsoina hoe fanidy mba hanakanana ny fahafahan’ny mpikabary sasany tsy hiteny, raha ny fitarainana voaray mikasika izay zava-misy eny amin’ny fiarahamonina ankehitriny izay hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
Sary fanehoana

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • ANOSIMASINA ITAOSY
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tovolahy iray matin'ny kodiaran-droa

  • Halatr'omby tsongonofotra
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nampangain'ny alikany ireo jiolahy

  • TRANGA HAFAHAFA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nisy naka ny nofony tamin'ny fen'ilay omby velona

  • Mpamongady voatafika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

tao Ambatolampy Tovolahy roa voatifitra,

  • ANOSIBE
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty voatifitra teo

  • Asa ratsy sy halatra
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

eny amin'ny RN7 Lasibatry ny jiolahy ny fiara

Hijery ny tohiny
FTT