Fiarahamonina feno herisetra

Efa nilazaozan’ny fanahy tsara ve ny Malagasy


  • Alarobia 19 Martsa 2025

Tena miaina anaty fiarahamonina feno herisetra ny ankamaroan’ny Malagasy ankehitriny.

Hita taratra eny anivon’ny fiaraha-monina eny izany isan’andro toy ny fifamonoan’ny samy mpivady na mpifankatia. Ny fanolanana, ny asa fanendahana miaro fikasihan-tanana, ny fikapohana na fampijaliana ny zaza hataon’ny Ray na Renikely na fianakaviana akaiky… Amin’ny ankapobeny raha araka ny fanadihadiana natao dia noho ny fahantrana diso mihanaka loatra no antony mahatonga izany. Eo ihany koa ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina etsy sy eroa izay tena tsy voafehy intsony ho an’ny tanora. Raha tsiahivina tokoa mantsy dia ny 70%-n’ireo tanora manerana ny faritra 22 no tsy an’asa eto amintsika na nahavita fianarana na tsia. Ankoatra ireo manao asa tsy manara-penitra vokatr’izany dia tsy vitsy ireo lasa manaotao foana. Ireo lehilahy no tena voasariky ny asa fanaovan-dratsy amin’ny ankapobeny miaraka amin’ny namany raha mivaro-tena kosa ny vehivavy. Niala na nisitaka ao anatin’ny Malagasy mihitsy vokatr’ireo tranga misy ireo ny fanahy tsara ao anatiny. Very tanteraka ilay fihavanana sy fanomezana hasina ny aina hany ka mifambotry sy mifandripaka sisa. Zary lasa resabe sisa ilay hoe : Aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pivavahana. Ny vola aloha izay vao fihavanana na dia handratrana sy hamoana ain’olona aza, hita taratra amin’ireo vono olona mahatsiravina etsy sy eroa saika hita manerana ny Nosy.
Pati
Legende : Mihatra hatrany amin’ny ankizy io herisetra mirongatra eny anivon’ny fiaraha-monina io !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • VONO OLONA-FISOLOKIANA...
  • Alakamisy 18 Jona 2026

« Vokatry ny tsy fahampian'ny fanabeazana »

  • Olona varira any ITASY
  • Alarobia 17 Jona 2026

Maniry ny hisian'ny

  • TOVOLAHY MAMON-DRONGONY
  • Talata 16 Jona 2026

Maty notsondrominy

  • INFIRMIERA MPIANA-DRAHARAHA
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nofatorana, naolana avy eo novonoina

  • RN1 - Sprinter sy fiara
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

mpitatitra entana nifandona

  • Fanondranana an-tsokosoko
  • Zoma 12 Jona 2026

sokatra Efa tambazotra tsara mpiaro ?

Hijery ny tohiny
FTT