Fandriampahalemana

Fiara tsy laitram-bala Tsy ny tafika no nampiasa azy


  • Alarobia 19 Jona 2019

Nitondra fanamarihana ny tompon’andraikitra iray avy amin’ny Tafika Malagasy omaly mahakasika ireo fiara tsy laitram-bala miisa roa izay nomen’ny filoham-pirenena ho an’ny mpitandro filaminana.

 

 

 

Tsy ny tafika no nampiasa ireo fitaovana ireo, hoy izy, fa toa ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena. Raha ny loharanom-baovao efa nentina teto moa dia tsy araka ny nantenaina ny vokatra azo tamin’ireo fiara tsy laitram-bala miisa roa ireo satria tsy dia mahazaka loatra ny toe-tany sy ny toetran’ny lalana handehanana amin’ny fanenjehana dahalo, izay miafina any an-tendrombohitra na havoana. Tany Ihosy sy Betsiboka no anisan’ny toerana nandefasana azy. Azo antoka fa ho hita etsy Mahamasina amin’ny 26 jona izao satria ny iray dia efa nakarina tamin’ny renivohitry ny faritra nampandalovina fanamboarana sy fikojakojana mialoha ny hampiakarana azy aty, raha ny loharanom-baovao. Amin’io ihany koa no mety hahazo fiara vaovao marobe ny mpitandro filaminana, ka ho hita eo ny fitsinjarany.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT