Mipoitra tsikelikely ny marina momba an’ilay fiara tsy mataho-dalana marika Harbody nahasaronana rongony 20 gony tany Ihosy ny marainan’ny alarobia 14 jona teo.
Fiara sivily nampitondraina ny laharana Z 5160 (laharana ampiasain’ny Vondron-toby Androy, any Ambovombe) izy io raha ny fampitam-baovaon’ny zandarimariam-pirenena, izany hoe nosandohana ny nomerao, ka hafa ny laharana ao anaty « carte grise » ary hafa ny mipetaka eo amin’ny fiara. Lehilahy iray nisandoka ho zandary ka nanao fanamiana sy galonan’ny zandary no namily ny fiara. 3 ny totalin’ny tao anaty fiara ka vehivavy ny iray ary efa atao famotorana. Rehefa nohalalinina anefa ny fanadihadiana ny tena laharan’ilay fiara dia manamboninahitra ambony ao amin’ny zandarimariam-pirenena no tompony. Tao anatin’izay fanadihadiana izay ihany koa no nanamarinana fa zandary efa voaroaka tamin’ny taona 2010 (fanapahan-kevitra N° 391-COM/4DRH/PSO tamin’ny 22 septambra 2010) io mpamily io. Noho ny fanaovana asan-jiolahy sy fanafihana no nandroahana azy, ary efa niditra am-ponja teny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy tamin’io taona io ihany no izao tratra manohy ny asa ratsiny izao indray. Zandrin’ilay manamboninahitra tompon’ny fiara ihany io mpamily io. Marihina anefa fa tsy navoaka ho fanta-poko fanta-pirenena ny anaran’io manamboninahitra io na dia nanambara aza ny Zandary fa miara-miasa akaiky amin’ny polisim-pirenena amin’io raharaha io amin’ny alalan’ny fanadihadiana iraisana, ary nanambara fa ao anatin’ny fangaraharana tanteraka no ilazany fa tsy handefitra fa handray ny andraikitra manandrify amin’izay mety ho fandikan-dalàna rehetra hita amin’izao raharaha izao, ka hanao ny fampiharana ny lalàna manankery na ny araky ny lalàna famaizana sy ara-pitsipi-pipehezana raha toa ka misy andraikitr’io manamboninahitra ambony io na ankolaka na mivantana amin’izao raharaha izao. Ny mpanao fanadihadiana sy ny fitsarana moa hanao ny asany fa ny ny Ambaratongam-pahefana eo anivon’ny zandarimariam-pirenena kosa dia tsy hanao afa tsy ny fampiharana sy fanatanterahana izay didy havoakan’ny fitsarana sy ny « conseil d’enquête », araka ny fanambarana nataony. Ao anatin’ny fandraisana andraikitra fanadiovana anatiny tanteraka ny eo anivon’ny zandary. Ny tena loza anefa dia ao anatin’ny hoe fanadiovana no miseho ny zava-doza, ary ireo lehibe mihitsy no manao mpitari-bato vilam-bava toa lasa dahalo ambony latabatra. Ny andrandrain’ny rehetra dia hampahafantarina ampahibemaso ho fanta-bahoaka ny anarana sy ny sazy hampiharina, fa tsy sanatria ho sarontsaronana sy hokobonkobonina samirery ao, ary milaporofoina fa tsy natao ho an’ny vahoaka madinika ihany ny fonja sy ny lalàna.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.