Fandriampahalemana

Fiara manararao-pahefana Henjana ny fepetra horaisina


  • Zoma 18 Aogositra 2017

Mampimenomenona ny olona ny fihetsiky ny manampahefana amin’ny fanamparam-pahefana eny an-dalambe.

Izay mitondra fiaram-panjakana misy “cocardes”, “gyrophares”, fitaratra mainty na olona ambony na fianakaviany dia tsy te hiraharaha ny hafa ka raikitra ny “pirilipo” na ny anjomara lavareny. Tsara ny mampahatsiahy fa ny fiara mitondra ny filoham-pirenena, ny praiminisitra, ny filohan’ny antenimiera roa tonta ary ny filohan’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ihany no voafaritry ny lalàna fa manana zo hotarihin’ny ireny “motos” lehibe ireny sy afaka mampaneno anjomara, ka tsy maintsy homen-dalana ny fiara mitondra azy. Tsy izay anefa no misy eto amintsika fa samy manao ny ataony ny rehetra. Manampy azy ireo ny fiara mpitondra marary sy ny mpamonjy voina. Handray fepetra henjana ny minisiteran’ny filaminana anatiny, ka nandefa taratasy fampahafantarana tany amin’ny filoham-pirenena, ny praiminisitra, minisitra, ary ireo sekreteram-panjakana. Nampahafantarina fa misy ireo miafina ao anatin’ny andraikitra sy fahefana ananany hahafahany manava-tena sy hanjakazaka ka manao tsinontsinona ny rehetra, ary misy mihitsy aza no miezaka maka ny toeran’ny manampahefana ambony, kanefa tsy manana zo amin’izany akory. Ao ihany koa ny endrika fisolokiana amin’ny fametahana ireny marika hoenti-milaza fa fiaram-panjakana sy tompon’andraikitra ambony ireny. Hisy ny hetsika sy fampanarahan-dalàna hatao nanomboka ny 6 jolay teo. Hanao fanentanana mandritra ny herinandro ny polisim-pirenena ary ho henjana ny fisavana ireo fiara ahitana marika maneho fa ana manampahefana, toy ny “cocardes”, “gyrophares”, fitaratra mainty. Mety ho tratran’ny fisavana sy fanaraha-maso na ireo manampahefana ambony manana zo ara-dalàna aza.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT