Fandriampahalemana

Fiantsonan’ny Taxibe Ampasampito Mpangarom-paosy iray indray no tratra ambodiomby


  • Alatsinainy 15 Martsa 2021

Mpangarom-paosy iray indray no saron’ny polisy avy ao amin'ny kaomisarian’ny polisin’ny Boriborintany fahatelo

 

 

 teny amin’ny tobim-piantsonan’ny taxibe Ampasampito ny 10 martsa lasa teo tokony ho tamin'ny 7ora sy sasany maraina. Polisy miasa eny amin’iny faritra iny manao fanamiana no nahatazana ity mpangarom-paosy ity nanao ny asa ratsiny. Teo am-panokafana ny kitapon-dehilahy iray miandry taxibe izy no tratra ambodiomby ka tsy afaka namaly intsony. Nentina natao fanadihadiana avy hatrany ny lehilahy taorian’izany raha tamin’ny 12 martsa lasa teo kosa no nohainoan’ny fampanoavana ka naiditra am-ponja vonjimaika.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT