FIANTSONAN'NY

TAKSIBE ANKORONDRANO


  • Alarobia 04 Febroary 2026

Lehilahy tratra ambodiomby namaky fiara

Ny 02 Febroary maraina teo no voasambotry ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny paositry ny Polisy Ankorondrano ny lehilahy iray rehefa nikasa hangalatra tamin’ny alalan’ny famakiana fiara mijanona eny amin’ny fiantsonan'ny taxibe. Vehivavy iray nitondra fiara Starex handeha hividy kojakojana fiara teny Ankorondrano no lasibatry ny halatra nataony ka very ny poketra tao anaty fiara. Noho ny fikarohana haingana nataon’ny Polisy avy ao amin’ny PPA Ankorondrano dia tratra tsy lavitra teo ity mpamaky fiara ity. Mbola tratra teny aminy ny fitaovana nentiny nanapitsoka ny varavarana niampy ilay kitapo very. Natao andri-maso avy hatrany ity mpangalatra ity ary ho atolotra ny fampanoavana rehefa vita ny fanadihadiana hataon’ny Polisimpirenena.
Pati
Légende : Ilay olon-dratsy sarona !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT