Fandriampahalemana

Fianarantsoa Hita tao anaty fiangonana ireo moto halatra


  • Alarobia 27 Jolay 2022

Moto miisa 2 an’ny tetikasa ACCESS, fandaharan’asa miompana betsaka amin’ny ara-pahasalamana tohanan’ny Sampan-draharaha Amerikanina momba ny fampandrosoana iraisam-pirenena (USAID) no nisy nangalatra.

Tao Fianarantsoa no nisehoan’izany ny alin’ny alahady lasa teo. Soa fa nisy ny teknolojia GPS (Global Position System) tamin’ny moto, ka ny tondro nomen’izany no narahin’ny polisy, ary hita soamantsara ny toerana nisy izany. Ny tena nahavalalanina sy nanaitra, tao anaty Fiangonana iray no hita nipirina ny halatra. Tena fa miharatsy ny fiarahamonina, hany ka hatrany anaty fiangonana no hahitana zavatra halatra. Fifandrifian-javatra ihany ve sa ny tranom-pivavahana mihitsy no lasa fialokalofan-jiolahy na mitaiza jiolahy? Mitohy ny fanadihadiana, tsy maintsy hofongorina ny tambanzotran-jiolahy, hoy ny fampitam-baovao mikasika ity toe-javatra ity.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT