Fianarantsoa

Fatin-dehilahy tsy nisy hodin-tava sy maso intsony


  • Zoma 05 Jolay 2024

Nahitana fatin-dehilahy iray tao amin’ny Fokontany Bateravola, Fianarantsoa.

Renim-pianakaviana iray nitady ravinkazo tao anaty lobolobo teny amin'ny boriborintany Andrainjato tao amin'ny fasam-bahiny no nahita ny razana ka natahotra sy nihorohoro tanteraka. Tsy nisy nahafantarana azy intsony ity lehilahy hita faty ity, satria efa tsy teo intsony ny hoditavany rehetra, efa tsy teo koa ny masony, ary nahitana trobaka teo amin'ny tendany. Raha ny fijerin'ny dokotera nizaha ny razana dia novonoina ity lehilahy ity, ary heverina ho tao anatin'ny 48 ora no nahafaty azy. Tsy nisy nahafantatra azy moa ity lehilahy hita faty ity, ka nentina eny amin'ny tranom-patin'ny hiandrasana izay mety ho havany. Raha tsy misy maka ao anatin'ny andro vitsy ny vatana mangatsiakany ao amin’ny hopitaly Tambohobe dia fantatra fa hoalevin'ny BMH ny razana.
Pati
Legende : Tahaka izao ilay razana sisa !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT