Fandriampahalemana

Fianakavian’ny jeneraly Paza Notafihin’ny andian-jiolahy


  • Sabotsy 10 Jona 2017

Efa mampiteny ny moana ny tsy fandriampahalemana eto amin’ny firenena amin’izao fotoana.

Tsy arakaraka ny fanambarana hentitra ataon’ny mpitondra fa ny fisian’ireny aza vao mainka mampidingin-drambo ny jiolahy. Mirongatra ny fakana an-keriny, ny fanafihan-jiolahy ary ny tena loza, dia efa ireo olona heverina fa hatahorana sy tsara aro no efa lasibatra raha dinihina tamin’ny fakana an-keriny an’ilay karana Yanish Isamael ny 14 mey. Nisy polisy niaro izao, saingy tsy natahoran’ireo mpaka an-keriny noho izy ireo hary fitaovana, ka namoy ny ainy vokatry ny tifitra nahazo azy mihitsy ity farany. Izao indray dia anabavina jeneraly no lasibatra tany Toamasina, izay midika fa mihantsy ady amin’ny mpitandro ny filaminana ireo jiolahy. Nisy nanafika teo am-pidirana ny vavahadin’ny tranony ao Tanambao 5 cité Beryl Rose ny alarobia hariva tokony ho tamin’ny 7ora mantsy ny anabavin’ny jeneraly Paza Didier Gérard, Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena teo aloha antsoina hoe Paza Yvette, mpivarotra gazety ao bazary be Toamasina. Jiolahy 4 nitondra basy no nanao ny fanafihana, ka lasa avokoa ny vola tao anaty poketra vidina gazety sy “money-mobile” ary finday niampy ny “moto scooter” fitondrany. Tsy nisy kosa anefa ny aina nafoy fa rehefa azon’ireo jiolahy izay nilainy dia iny izy ireo no dila. Efa eny am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha amin’izao fotoana. Efa tena miparitaka eny an-tanan’ny jiolahy ny basy ankehitriny ary tsy fantatra intsony ny hivoahan’izy ireny fa saika ny jiolahy sy ny mpaka an-keriny dia manana avokoa. Ny vinavinan’ny mpanara-baovao aza moa dia hoe ny mpitandro ny filaminana ihany no ao ambadik’ireny, saingy efa tambajotra matanjaka, ka dia zary fihomehezana ho an’ny olona sisa ny fanambaran’ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra na ireo tompon’andraikitra ambony fitandroana ny filaminana amin’ny hiadiana amin’ny tsy fandriampahalemana sy hahazoana vokatra mazava, izay resabe no betsaka. Vao tamin’ity herinandro ity indray no namoaka fampahalalam-baovao ny fanjakana fa hampitomboina ny vola hampiasaina amin’ny resaka fitandroana filaminana. Tsy hay na mba hitondra vokatra izany na ny omaly tsy miova toy ny volan-kakafotra ihany.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT