FIANAKAVIANA TE HANAN-KARENA TAMPOKA

Norobainy ny karaman’ny mpiasa 50 tapitrisa Ar mahery


  • Alarobia 22 Novambra 2023

Lehilahy mpiasa amina orinasa iray eny Talatamaty no nanita-kevitra nangalatra ny volabe

karaman'ireo mpiasa izay nipirina tao am-piasana ny 15 Novambra lasa teo. Vola nitentina 50. 423 000 Ar no lasany nandritra izany.Rehefa nirava hariva ireo mpiasa dia nanao izay fomba rehetra nijanonana sy niafenana tao am-piasana ity lehilahy ity. Nosaromany baoritra ny lohany . Rehefa lasa avokoa ny olona dia nivoaka moramora izy ary namaky ny vata fitoeran'ny volabe. Hitan'ny ''camera de surveillance '' avokoa ny fihetsiny rehetra noho izany.Ny ampitso maraina niantso ny havany ilay lehilahy ka nomeny an-tsokosoko iretsy voalohany ilay volabe fa izy kosa niverina niasa toy ny mahazatra ihany.Nalevin'izy ireo taorian'izay ity volabe mba tsy hisy hahita. Rehefa vaky anefa ny vata dia nandeha ny fitoriana ary raikitra ny fanadihadiana ka dia noraisim-potsiny ny anaolahy izay mihevitra azy ho tena matsilo saina . Nandritra ny fanadihadiana nataon'ny zandary ao Talatamaty no nahafantarana fa fianakaviany niisa telo (03) no niaraka niray tsikombakomba taminy tamin'ity halatra bevava ity. Ny antony kosa dia mba te-hanan-karena sy hikirakira volabe, hono, izy ireo.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay ranamana sy ny fianakaviany !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • MPILOKA AN-DALAMBE ENY
  • Zoma 24 Aprily 2026

ANALAKELY Nosamborin'ny

  • Saika hanafika mpanao
  • Zoma 24 Aprily 2026

"versement" Jiolahy 3 rotiky ny balan'ny

  • ANOSIMASINA ITAOSY
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tovolahy iray matin'ny kodiaran-droa

  • Halatr'omby tsongonofotra
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nampangain'ny alikany ireo jiolahy

  • TRANGA HAFAHAFA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nisy naka ny nofony tamin'ny fen'ilay omby velona

  • Mpamongady voatafika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

tao Ambatolampy Tovolahy roa voatifitra,

Hijery ny tohiny
FTT