Fandriampahalemana

Fianakaviana iray ao Ambatolampy Fanintelony voatafiky ny dahalo tao anatin’ny 3 taona


  • Alarobia 27 Mey 2020

Velon-taraina ireo vahoaka ao amin’ny Fokontanin’Antsiravàna, Faritra Mampihamba V, Distrikan’ Ambatolampy.

 

 

 

Mitohy ny asan-Dahalo sy tsy fandriampahalemana any amin’ity Fokontany ao amin’ny distrikan’Ambatolampy ity satria dia tokantrano iray indray no lasibatry ny fanafihana ny Alin’ny Alakamisy 21 Mai 2020 tokony ho tamin’ny 8 ora alina, hoy ny tati-baovao avy any an-toerana. Raha ny filazan’ity Raim-Pianakaviana ity dia efa in-telo izy no niharan’ny fanafihana ka ny taona 2017 ny iray ,volana Febroary 2020 ary ity tamin’ny alin’ny Alakamisy 21 Mai ity izay saika naningotra ny ainy. Omby 3 no lasan’ireo olon-dratsy ny alin’io saingy nalaky ny fahatongavan’ny fokonolona ka tsy lasa lavitra dia tafaverina avokoa izy rehetra . Efa nisy ny olona tratran’ny Fokonolona saingy votsotra rehefa tonga teny amin’ny fitsarana, toy ny tsy nanao inona, ary ny tena zava-doza dia mahazo fandrahonana izahay ankehitriny fa toa hoe ho dorany amin’ny Lasantsy hono ny tanànanay, hoy ny renim-pianakaviana iray mitantara ny zava-misy any an-toerana . Raha Tsiahivina , Efa nisy tokoa ny Olona 3 tratran’ny fokonolona niaraka tamin’ny Omby miisa 3 tao amin’ny tranony izay tsy mbola vita ny alin’ny 27 Martsa 2020 saingy rehefa nandalo mpitsara mpanao famotorana dia nahazo fahafahana vonjy maika avokoa izy rehetra, hoy ny fanamafisan’ny nanatri-maso iray. Arak’izany , manao antso avo amin’ny Minisitrin’ny Fitsarana, lehiben’ny mpitandro filaminana, fa indrindra, ny fitondrana ireo vahoaka monina any amin’ny Fokontany Antsiravàna, Distrikan’ Ambatolampy, fa tena mijaly nohon’ny firongatrin’ny asan-Dahalo, hoy hatrany ny fampitam-baovao avy any an-toerana.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT