Fandriampahalemana

Fiainana andavanandro Mirongatra ny harom-paosy eto Antananarivo


  • Alarobia 17 Janoary 2018

Fotoana mampitaraina ny maro tsy hanana vola ny volana janoary tahaka izao taorian’ny nankalazana ny fetin’ny krismasy sy ny faran’ny taona.

  Tsy vitsy ireo zara raha mihinana noho ny fahaverezan’asa nateraky ny maitso ahitra, antony mampirongatra ireo karazana tranga eny anivon’ny fiarahamonina. Raha ny fanadihadiana natao tetsy amin’ny kaomisarian’ny polisy etsy amin’ny boriborintany fahadimy  Mahamasina dia mpangarom-paosy no tena betsaka tratran’izy ireo amin’izao. Misy ihany ny vaky trano fa vitsy. Vao omaly, ohatra, dia tovolahy roa manodidina ny 25 taona eo, mpinamana no tratra nangarom-paosy teny amin’ny toby fiantsonan’ny tataksibe eny Anosibe. Ody gasy niampy karazana kaskety maromaro no tratra tamin’izy roalahy izay samy nilaza fa nanana asa natao ihany teo aloha saingy tsy miasa intsony ankehitriny ka voatery manaotao foana. Hifandimbiasan’izy ireo ny karazana kasikety tratra tany aminy mba tsy hahafantaran’ny olona azy. Manodidina ny 6.000 ka hatramin’ny 10.000 Ar isan’andro ny vola azony. Mikasika ny vaky trano indray dia nambaran’ny kaomisera Rakotoarijaona Faly fa misy ihany izany ao amin’ny faritra iadidiany saingy tsy betsaka. Ny alatsinainy teo, ohatra, dia fitarainana vitsy monja no voarain’izy ireo toy ilay mpiasa an-trano iray nangalatra tamin’ny mpampiasa azy teny Anosibe…

 

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatr'omby tsongonofotra
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nampangain'ny alikany ireo jiolahy

  • TRANGA HAFAHAFA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nisy naka ny nofony tamin'ny fen'ilay omby velona

  • Mpamongady voatafika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

tao Ambatolampy Tovolahy roa voatifitra,

  • ANOSIBE
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty voatifitra teo

  • Asa ratsy sy halatra
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

eny amin'ny RN7 Lasibatry ny jiolahy ny fiara

  • Fandorana Kaomisaria sy herisetra tao Vohémar
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hisy fanenjehana ara-pitsarana ireo tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT