Fiainam-piarahamonina

Sesilany ny vono olona mahatsiravina


  • Zoma 18 Jolay 2025

Nitrangana toe-javatra mampihorin-koditra omaly 16 jolay 2925

tao amin’ny fokontany Morafeno, kaominina Arivonimamo I. Mpiandry omby no nahita fatin’olona nodorana tanteraka tao anaty lavapako iray manakaiky ny lalana mankany amin’ny piste Antanibe, ka nampandre avy hatrany ny sefom-pokontany. Nifanindry tamin’izany, raim-pianakaviana iray avy any Antanibe no tsy hita nanomboka ny Talata hariva, taorian’ny niverenany avy amin’ny fetim-pianakaviana tao Manazary. Vao saika handefa filazana amin’ny radio ny fianakaviana, dia tojo ilay razana nodorana. Ny ba-kiraro sy tapany amin’ny t-shirt sisa tsy may no nahafahan’ny zanany telo mirahalahy nanamafy fa rainy tokoa ilay olona, izay maty novonoina sy nodorana. Tonga nanao fanadihadiana ifotony avy hatrany ireo tompon’andraikitra: Médecin Inspecteur sy Chef CSB, Zandary sy Polisim-pirenena, Ben’ny tanàna Arivonimamo, Chef fokontany Morafeno sy Antanibe. Sesilany ny zava-doza amin'izao: olona tsy hita, olona misy mandevina antsokosoko, eny fa hatramin'ny kidnapping,... Vao omaly ihany koa izao dia nisy tranga mahatsiravina mitovy amin'io tany amin'ny faritra Anjozorobe. Revim-pianankaviana efa lehibe iray no tsy hita efa ho iray volana teo. Nifampitafiavana hatry ny ela. Omaly vao hita saingy efa vatana mangatsiatsiaka potika tanteraka sisa hita notototofana ravin-kazo. Ny akanjony sisa no nahafantarana azy. Nialon'ireo ny nahitana an'ilay tovolahy antsoina hoe Mahandry izay vao avy nividy moto avy eo tsy hita popoka ny volana martsa ary 4 volana aty aoriana vao hita ny fatiny efa potika, nalevina antsokosoko. Lasibatra avokoa na olon-tsotra na manan-katao, ka entanina ny rehetra ho mailo sy hitandrina satria tena tsy kely lalana ny ratsy.
Nangonin'i Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT