Fandriampahalemana

Fiainam-bahoaka Tena laharampamehana ny ady amin’ny asan-jiolahy


  • Alatsinainy 21 Febroary 2022

Nametrahana ireo jiro Cobra, izay manazava amin’alina ny eny amin’ny sampanana Ambohitrimanjaka.Ny ministeran’ny angovo sy ny akoran’afo no tompon’antoka tamin’izany ary vita ny faran’ny herinandro teo ny asa.

Natao izao mba ho anisan’ny hiadiana amin’tsy fandriampahalemana; eo amin’io toerana io mantsy no malaza ratsy hitrangana herisetra amin’iroe mpitondro kodiaran-droa (moto). Ary dia nisy namoy ny ainy mihitsy moa.Manararaotra ilay toerana mangiana sy maizina ireo jiolahy, mifitsaka any ambadimbadika any dia ireny fa mipoitra tampoka mively avy hatrany amin’ny vatan-kazo, dia lasa ny fanana, maratra ny mpitondra moto ary mety hanaraka hatramin’ny aina mihitsy aza.Tsara ny fametrahana jiro fa tsara kokoa ny fampitomboana ireo mpitandro filaminana mitsirika sy mivezvezy amin’ny toerana efa sokajiana fa mampiahiahy mba hhiadiana amin’ny tsy fandriampahalemana. Maro ireo fokontany ohatra no maniry ny hisiana “poste avancé” n’ny polisy na zandary ey amin-dry zareo fa tsy hoe vitan’ny “patrouille” mivezivezy amin’ny alina fotsiny ny ady amin’ny asa-jiolahy. Raha ny fantatra moa dia olana ara-pitaovana, ara-bola sy arak’olona no mbola tsy hahavitan’ ny mpitandro filaminana izany. Ny zava-misy anefa dia miha manaporofo isan’andro fa tokony atao laharampahamehana tahaka ny sakafo, fitsaboana, fampianarana ny fandriampahalemana; izany hoe tena hanatontonan’ny fanjakana ny ron-dohany sy ny paikadiny ary ny vola eo am-pelatanany.
RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Fandraharahana ny fonja
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nandray ny fibaikoana ny DGAP

  • TSENAN'ANOSIBE
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nihena 4 ny mpangarom-paosy

  • Mahazomà Maevatanana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Olona 5 indray maty, omby

  • MORON’NY FARIHIN'ANOSY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Fatin-dehilahy iray hita

  • Fanafihana eny amin’ny RN1
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Matin’ny zandary i Njato

  • Ny olona tsy ampy,
  • Talata 28 Aprily 2026

ny ambana mitombo, ny fitaovana efa fahagola,

Hijery ny tohiny
FTT