Fandriampahalemana

FENOARIVOBE Maty notifirina tamin’ny basy ilay mpianatry ny lisea ?


  • Alarobia 24 Mey 2023

Mampalahelo ny zava-mitranga hiainan’ireo mponina any amin’ny Faritra Bongolava. Taorian’ilay Rangahy lehibe 70 taona maty notapahin-doha tao Tsiroanomandidy dia tovolahy iray vao 20 taona monja antsoina hoe

Sitraka, mpianatry ny lisea ao Fenoarivobe indray no voalaza fa nisy nitifitra tamin’ny basy ka namoy ny ainy ny alin'ny Alahady 21 May lasa teo. Raha araka ny fantatra dia an-dalana hamonjy fodiana Ratompokolahy tamin’io fotoana io rehefa avy nijery fampisehoana nataon'ny mpanakanto iray. Feom-basy maromaro no fantatra fa ren'ny manodidina nandritra izany tokony ho tamin'ny 8 ora alina latsaka kely. Ankoatra an-dRatompokolahy izay nambaran’ny fianakaviana fa nisy lavaka boribory diam-bala ny vatany antony nahafaty azy dia nisy hazo niantefan’izany bala nifanesy izany koa izay azon’ny fianakavian’ny maty sary tsara. Raha araka ny nambaran’ilay mpitsabo nijery ny razana anefa hoy hatrany ny vaovao dia tsatok’antsy no nahafaty an-dRatompokolahy. Mitaky ny hamoahana ny marina mahakasika ny nahafaty an-janany araka izany ireo fianakavian’Itompokolahy Sitraka. Tsiahivina moa fa anisan’ny tena faritra mena amin’ny tsy fandriampahalemana ny distrikan’i Fenoarivobe. Manjaka hatrany ny vono olona ankoatra ny fanafihan-jiolahy.
Nangonin’i Pati
Legende : Hita teto amin’ity toerana itangoronan’ny olona ity ny vatana mangatsiakan-dRatompokolahy.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT