Fandriampahalemana

FENOARIVO ATSINANANA Tratra ilay tambajotra mpanondrana entana halatra


  • Alakamisy 05 Mey 2022

Olona miisa 06 no voasambotry ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny DRSP Analanjirofo tao Fenoarivo Atsinanana ny alarobia 13 aprily lasa teo rehefa namaky trano sy nivarotra entana halatra.

Tambazotra iray, mpamaky trano sy mpanondrana entana halatra avy ao Fenerive-Est mankaty Antananarivo izy ireo raha araka ny fantatra. Tena nampikaikaika ny mponina any an-toerana tokoa raha tsiahivina ny fisiana vakitrano mateti-pitranga ka ny «écran plat» sy ny « ordinateur portable » no tena alain’ireo olon-dratsy amin’izany. Nanokatra fanadihadiana ny polisy nanoloana izany. Nisy ny ‘Barrage’ izay natao ka olona miisa 02 no voasambotra niaraka tamina ecran plat 01 sy ordinateur portable 01. Tamin’ny fanadihadiana no nahafantarana fa tafiditra ao anatina tambazotrana mpanao ratsy izy ireo. Fantatra moa fa alefan’izy ireo aty Antananarivo ireo entana very ireo. Fiara manokana mpitondra entana no handefasany azy, ary efa misy lehilahy mpiray tsikombakomba amin’izy ireo . Rehefa tonga eto Antananarivo ny entana dia efa misy olona hafa koa mandray sy mivarotra ireo entana halatra ireo. Noho izany dia nosamborina avokoa ireo olon-dratsy ireo. Olona miisa 06 no voasambotra ka vehivavy ny 02 amin’ireo. Natolotra ny fampanoavana afak’omaly Talata izy ireo ary samy naiditra am-ponja vonjimaika avokoa.
Pati
Legende : Vehivavy ny roa amin’izy ireo !

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT