FENOARIVO ATSIMONDRANO

Ramatoa lehibe hita


  • Alarobia 06 Mey 2026

faty nisy namono tao an-tokantranony

Ramatoa lehibe iray manodidina ny 60 taona mipetra-drery no fantatra fa nisy namono ary hita faty tao an-tokantranony teny Fenoarivo Atsimondrano teny ny herinandro teo. Tao ambany rihina izy io no napetraka hoy ny vaovao azo. Nandritra ny 2 andro anefa dia sady tsy namoha trano izy no tsy nisy nahita nivezivezy, antony nanosika ny manodidina nandondona sy nitsirika ny tokantranony. Loza anefa no nutranga. Efa fofona niely sy vatana mangatsiaka simba no hitan'ny fokonolona tao an-toerana ka nantsoina avy hatrany ny mpitandro ny filaminana nijery ny zava-misy. Fantatra tamin'izany fa naolana ity Renim-pianakaviana hita faty ity. Tsy nisy lamba intsony mantsy ny tapany ambany no sady nisokatrabe ihany koa ny feny hoy ny loharanom-baovao azo. Notaperin'ireo tsy mataho-tody ny ainy taorian'izany. Tsy azo nandrasana ela moa ny razana fa fotoana fohy taorian'ny nahitana azy dia nalevina. Fantatra fa tsy milamina mihitsy ny fandriampahalemana eny Fenoarivo Atsimondrano eny amin'izao raha araka ny fitarainan'ny mponina . Saika misy hatrany mantsy ny sotasota arahina vono olona toy ny nitranga teny Ambohijafy namoizana ain'olona 2 volana vitsivitsy lasa izay. Toraka izany koa Ilay tovolahy iray nisy nanentsina tao an-tanimbary ka namoy ny ainy....Antso avo no hatao amin'ny tompon'andraikitra mba hijery akaiky ny mikasika izany. Pati
Légende : Tsy milamina ny fandriampahalemana ety amin'ny kaominîna Fenoarivo !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT