FENOARIVO ATSIMONDRANO

Mpivady tratra nisambotra gisan'olona


  • Alakamisy 05 Septambra 2024

Mpivady indray no tratra nisambotra gisan’olona rehefa sendra nandalo teo am-bavahadiny

omaly Alarobia 04 Septambra tany amin’ny kaominina ambanivohitr’i Fenoarivo, distrikan’Atsimondrano. Tsy tahotra tsy henatra izy ireo nanao izany tamin’ny andro atoandrobe nanahary ka nisy nahatsikaritra. Nilaza izy ireo rehefa nohadihadiana fa efa fanaony ny tahaka izao rehefa misy voronolona sendra mandalo eo akaikin'izy ireo; ary averiny ihany rehefa hitan'ny tompony ao anatin’ny tambohony. Avobe sy tsy tazana avy aty ivelany mantsy ny tamboho mamefy ny tananan’izy ireo. Somary sakaitra ihany moa ny rehetra nahare izany saingy na averina na tsy averina ny voron’olona dia efa mpangalatra sy mpambotry ny fiaraha-monina hatrany izany. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro ny filaminana izy mivady.
Pati
Legende : Resaka hala-borona no hamotehan’izy mivady ireto ny fiainany !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT