Fandriampahalemana

Feno dian'antsy ny vatany Ny vadiny no ahiana ho namono an'i Kaela


  • Alarobia 06 Mey 2020

Vehivavy iray 28 taona antsoina hoe ; Kaela no maty novonoin’ny vadiny. Handeha any Andranolava hividy trondron-dranomasina no nivoahany ,

 

 

 

 

ny trano ny tolakandron’ny 1 mey teo niaraka tamin’ny tovovavy namany iray. Teny antenantenan-dalana anefa i Kaëla dia nilaza fa hiverina vetivety haka borosy nify izay hadinony any an-trano. Hariva ihany anefa ny andro, tsy hitan’ilay namany izay sasa-niandry azy i Kaëla. Mpihaza nivoaka maraina no nahita faty tao anaty kirihitra ny marain’ny sabotsy 2 mey, ka ity farany no nampandre ny fokonolona. Nahitana ratra nofiraina tamin’ny « coupe-coupe » ny vatany. Nahitana kapa sy akanjo tee-shirt an’ny vadiny tsy lavitra ilay faty ihany koa teo an-toerana. Ilay vadiny, izay tovolahy vao 24 taona, avy hatrany no nahiahiana ho nahavanon-doza araka izany. Fantatra fa nisara-panambadiana vao tsy ela izy roa, ary efa vita zara nisasaka ny fananan’izy ireo, herinandro lasa izay. Karohina io tovolahy io amin’izao.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT