Feno 5 taona ny Etamazaoron’ny tafika an-tanety

Mampanantena fiarovana ny Firenena sy fanatsarana fiasa


  • Alarobia 12 Martsa 2025

Notanterahina omaly 11 martsa 2025 tao amin’ny Etamazaoron’ny Tafika an-tanety,

Andranoambo Digue, ny ivon’ny fankalazana ny faha-dimy taonan’ity rafitra napetraka ho an’ny Tafika Malagasy. Ny 11 martsa 2020 no nivoahan’ny didim-panjakana nananganana ity Etamazaoro ity, tafiditra ao anatin’ny fanavaozana ara-drafitra natao teo anivon’ny Tafika Malagasy. Nitarika ny lanonana ny Minisitry ny Foloalindahy, Jeneraly SAHIVELO Lala Monja Delphin, izay nanolotra fisaorana sy fankasitrahana ho an’ny Etamazaoron’ny Tafika an-tanety tarihin’ny Jeneraly RAKOTOSON Jocelyn. Nohamafisiny ny fandraisan’anjaran’ny Tafika amin’ny fiarovana ny firenena sy ny filàna fanatsarana hatrany ny fomba fiasa. Hisy ireo hetsika lehibe manamarika ny fankalazana: Fanolorana mari-boninahi-pirenena ho an’ireo miaramila mendrika ; Fitokanana tsangambato manamarika ny faha-dimy taonan’ny Etamazaoro ; Fampahafantarana ireo fotodrafitrasa nohavaozina, Fametrahana ny vato fototra amin’ny tetikasa "Biogaz", natao hanatsarana ny famokarana angovo ; Fizarana amboara ho an’ireo atleta nandray anjara tamin’ny hetsika ara-panatanjahantena ho fankalazana ny faha-dimy taona. Nanotrona ny lanonana ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ireo manam-pahefana ambony eo anivon’ny Minisiteran’ny Foloalindahy, ny Lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika, ireo Etamazaoro roa toko, ireo tompon’andraikitry ny fiarovana avy amin’ny Masoivoho vahiny mpiara-miasa amin’i Madagasikara, ary ireo mpiara-miombon’antoka nasionaly sy iraisam-pirenena. Betsaka ny ezaka asehon’ny tafika amin’ny fampandriana fahalemana, misy ihany koa ny fikarakarana ataon’ny Fanjakana amin’ny alalan’ny fizarana galona, fampanantenana fampitaovana,… saingy mbola betsaka ihany koa ny tranga sy toe-draharaha maneho sy manamafy, fa tena mbola misy ezaka be ny fametrahana fandriampahalemana sy fitoniana ho an’ny valalabemandry, raha toa ka tsara aro kokoa ny mpitondra noho ny fampiasana ny mpitandro ny filaminana kokoa.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT