Fandriampahalemana

Fenerive est Tratra nanendaka ilay mpitarika cyclo-pousse


  • Zoma 30 Jona 2023

Tsy milamina intsony ihany koa ny fandriampahalemana eny amin’ny distrikan’i Fenerive Est, Faritra Analanjirofo.

Efa mirotsaka manendaka ny mponina ihany koa mantsy ireo mpitarika cyclo-pousse. Tao amin’ny tsenan’Ambatoria no nisehoan’izany ny 25 Jona lasa teo. Raha araka ny fantatra dia naka ny porte feuille sy findaina vehivavy iray noentiny ity mpitarika cyclo-pousse ity raha sendra variana itsy voalohany. Tsy vao sambany no nanaovany izao asa ratsy izao hoy ny vaovao. Mody mitarika posy mantsy izy kinanjo manendaka ireo vehivavy entiny no tena asany. Natolotra ny fampanoavana omaly 29 Jona moa no anaolahy ka naiditra am-ponja vonjimaika.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay mpitarika cyclo-pousse manendaka ireo vehivavy entiny
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT