FENERIVE-EST

Tovovavy iray naolana tovolahy miisa 4


  • Alatsinainy 10 Jona 2024

Tovovavy kely iray vao 13 taona monja no fantatra fa tratry ny fanolanana faobe tany Maroakakanga Fenerive Est

afak’omaly Sabotsy 08 Jona. Raha araka ny fantatra dia sendra irery teny an-tokontany io tovovavy kely io. Tsy fantatra izay fomba nahitan’ireo tovolahy azy fa avy hatrany dia nosarihiny ka nanaovany an-keriny tao ilay zaza. Miisa 4 izy ireo no indray nanampatra ny filany tamin’izany. Ny sasany nitazona ilay tovovavy kely, ny sasany nanao ny nataony ary dia nifandimby tahaka izany hatrany izy ireo mandrapahavitan’ny filany hoy ny loharanom-baovao azo. Potika tanteraka vokatr’izany ny fahadiovan’ ilay tovovavy kely. Olona sendra nandalo no nahare ny tarainany ka namonjy azy niaraka tamin’ny fianakaviany nanatitra azy tany amin’ny hopitaly. Efa misokatra moa ny fanadihadiana mikasika ity raharaha ity. Ahiahian’ny maro ny mety hidiran’ireo tovolahy kely mpanao herisetra sy mpanakorontana any an-toerana amin’izao raharaha fanolanana faobe izao. Efa misokatra ny fanadihadiana.
Pati
Legende : Vao 13 taona koa ity tovovavy kely dia efa tratry ny fanolanana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • MPILOKA AN-DALAMBE ENY
  • Zoma 24 Aprily 2026

ANALAKELY Nosamborin'ny

  • Saika hanafika mpanao
  • Zoma 24 Aprily 2026

"versement" Jiolahy 3 rotiky ny balan'ny

  • ANOSIMASINA ITAOSY
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tovolahy iray matin'ny kodiaran-droa

  • Halatr'omby tsongonofotra
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nampangain'ny alikany ireo jiolahy

  • TRANGA HAFAHAFA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nisy naka ny nofony tamin'ny fen'ilay omby velona

  • Mpamongady voatafika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

tao Ambatolampy Tovolahy roa voatifitra,

Hijery ny tohiny
FTT