Fenerive Est

Mirongatra ny halatra entan’olona anaty hotely


  • Alarobia 15 Mey 2024

Mirongatra ny halatra entan’olona any amin’ny trano fandraisam-bahiny na hotely ao Fenerive Est Toamasina.

Tera-tany malagasy nanao fialan-tsasatra tany an-toerana ny herinandro teo no nisy nandroba tao anaty hotely ny entany. Raha ny vaovao azo dia tsy nahare na inona na inona mihitsy izy ireo fa natoribe nony alina. Rehefa taitra tampoka anefa izy tokony ho tamin’ny 4 ora maraina no nahatsikaritra fa nisy namoha ny varavarankely tao aminy ary tsy teo amin’ny toerany intsony koa ny valiziny. Nanjavona ihany koa rehefa nojereny ny lela- vola 3 tapitrisa Ar. Nilaza ny zava-nitranga tamin’ny mpiandraikitra ny hotely moa io tera-tany Malagasy io ka nilaza ihany koa ilay tompon’ilay hotely fa tsy nahafantatra na inona na inona. Rehefa nataondry zareo anefa ny fikarohana dia nisy sasantsasany tamin’ireo entan’ilay teratany vahiny no hita tsy lavitra ilay toerana misy ny hotely. Efa mandeha moa ny fanadihadiana eo anivon’ny mpitandro ny filaminana amin’izao. Vao omaly Talata 14 May ihany koa dia nisy teratany vahiny efa-mianaka nilaza ho very 300 euro tao amin’ny hotely nipetrahany tao Fenerive niaraka tamin’ny pasipaoron’izy ireo. Andro atoandro indray no nitrangan’ity farany.
Pati
Legende Kanto saingy mampanahy ny tsy fandriampahalemana eto Fenerive Est !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT