FENERIVE EST

Lehilahy iray maty notetitetehan’ny rafilahiny


  • Alatsinainy 22 Janoary 2024

Nipoitra ny marina mikasika ilay raharaha vono olona mahatsiravina nitranga tao

Vohitraivo Fokontany Ambilidaozera kaominina ambanivohitra Ampasina-Maningory, distrikan’i Fénérive-Est ny 04 Janoary lasa teo. Vokatry ny fanadihadiana lalina nataon’ny zandary tao amin’ity distrika ity no angady nananana sy vy nahitana izany.Fantatra ary fa tovolahy iray 23 taona no tompon'antoka tamin’ny fitetitetehana ilay lehilahy 68 taona tamin’ny antsy, antony namoizan’ity farany ny ainy. Rafilahiny ihany io lehilahy io. Naka ny vadin’io tovolahy io mantsy Itompokolahy , tovovavy izay vao 19 taona monja. Novakiany tamin’ity tovovavy ity ny marina ka nentiny nitsoaka ity farany. Tsy mba nahalala ny nampandre ny fokonolona sy ny mpitandro ny filaminana ilay tovovavy nandritra izany fa nanaiky mora fotsiny ihany ihany koa. Voasambotra ny 12 Janoary lasa teo tao Antsiraben'i Seva any Fotsialanana distrikan’i Soanierana-Ivongo izy mivady vokatr’izany. Lasa voasokajy ho mpiray tsikombakomba mantsy ilay tovovavy raha mpamono olona kosa ilay lehilahy vadiny. Efa naiditra am-ponja vonjimaika moa izy ireo hoy ny vaovao.
Pati
Legende : Ireto izy mivady sy ny fatin’ilay Rangahibe 68 taona !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT