Fandriampahalemana

Fatin’olona hita teny Ampasika Ahiana ho mpitondra moto voaendaka


  • Alakamisy 17 Febroary 2022

Nahitana fatin’olona teny Ampasika omaly vao maraina. “Raha ny tazana dia manao kiraro, manao gant, manao blouson ary efa tapaka ny tanana havia”,

hoy ny fanamarihana. Ahiana ho mpitondra moto nisy nidaroka sy namono izy io noho izany, ary nentin’ny olon-dratsy ny moto, raha halalinina ambangovangony amin’ny endrika ivelany tamin’ny nahitana ny razana. Malaza rahateo ny resaka fidarohan’ireo olon-dratsy amin’ny “bois rond” sy famonoana ireo mpitondra moto sendra azy ireo eny amin’ny toerana mangingina. Toerana maro no voafaritra ho faritra mena tahaka ny Rocade Andohatapenaka, Tsarasaotra, Ampasika,… Vao tsy ela akory izay no nisian’ilay tovolohy antsoina hoe Natou izay nisy namono, ary lasa ny moto. Efa misy ireo olon-dratsy sarona ary vao omaly aza no nisy telolahy voasambotry ny polisy, ka ny iray teny Ambodivonikely, ary ny roa teny Anosivavaka. Tena tsy milamina sy tsy mandry fahalemana ny tanàna, mirongatra ny mpangalatra sy mpamono olona.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT