Fandriampahalemana

Fatin-jazakely hita teny Ankazomanga atsimo


  • Alarobia 26 Aprily 2023

Hosavaina avokoa ireo vehivavy eny amin’ny manodidina

Fatin-jazalahy kely vao teraka, mbola niaraka tamin’ny tadim-poitrany omaly no nisy nahita tetsy Ankazomanga Atsimo, kaominina Antananarivo renivohitra niaraka tamin’ny lamba maromaro ary nalefa tao anaty tatatra. Olona sendra handeha hiantsena no nahita azy io tokony ho tamin’ny 10 ora maraina, natao tao anaty sachet plastika miloko mainty. Tohana avokoa ny fon’ireo Renim-pianakaviana teny an-toerana nahita ity trangan-javatra ity. Nisy ireo niteny fa mety irony ankizy mpianatra irony no Renin’io zaza. Mety ho narian’ny olon-tiany izy ary matahotra ireo Ray aman-dReniny ka lasa manaotao foana. Ao ihany koa ireo milaza fa mety ho olona eny amin’ny manodidina ihany no nahavanon-doza raha tsy ferana ihany koa anefa ireo avy lavitra. Ny hany loharanom-baovao azo farany omaly hariva dia fantatra fa hozavaina avokoa aloha ireo vehivavy eny amin’ny manodidina mba hahafantarana ny marina, fanapahan-kevitra noraisin’ny tompon’andraikitra. Ankoatra ny olana ara-pitiavana mety mahazo ny tanora ankehitriny moa dia anisan’ny antony mety hamonoan’ireo vehivavy sasany tahaka izao ihany koa ny resaka fahantrana sy ny fahasahiranana.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay zazakely sy ireo lamba niaraka taminy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Fandraharahana ny fonja
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nandray ny fibaikoana ny DGAP

  • TSENAN'ANOSIBE
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nihena 4 ny mpangarom-paosy

  • Mahazomà Maevatanana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Olona 5 indray maty, omby

  • MORON’NY FARIHIN'ANOSY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Fatin-dehilahy iray hita

  • Fanafihana eny amin’ny RN1
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Matin’ny zandary i Njato

  • Ny olona tsy ampy,
  • Talata 28 Aprily 2026

ny ambana mitombo, ny fitaovana efa fahagola,

Hijery ny tohiny
FTT