FASIKA TANJOMBATO

Lehilahy iray nendahina sy novonoina, natsipiny tany anaty rano


  • Zoma 17 Oktobra 2025

Nahitàna fatin-dehilahy iray manodidina ny 35 taona

eo ho eo omaly Alakamisy 16 Oktobra maraina teny amin'ny Fasika Tanjombato. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia io ilay tovolahy nisy nanendaka afak'omaly Alarobia hariva handeha hamonjy fodiana. Natsipin'ireo mpanao ratsy tao anaty rano izy taorian'izany rehefa vitany izay nataony. Maraina vao nisy nahita ny razana ka nanaovana antso tao anaty tambajotran-tserasera Facebook. Tsiahivina fa ankoatra ity lalana Fasika Tanjombato dia anisan'ny Faritra tena mena amin'ny tsy fandriampahalemana ihany koa ny eo Ankadimbahoaka miazo an'Androndrakely. Saika ahitana fatin'olona hatrany eny amin'iny faritra iny ka anisan'ny tena betsaka ireo lehilahy na Raim-pianakaviana handeha hamonjy fodiana tratra alina.
Nangonin'i Pati
Légende : Ity ilay tovolahy fony mbola velona !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT