Fandriampahalemana

Fasan’ny Karana Tratra ireo roa vavy mpisoloky Cash point


  • Zoma 29 Jolay 2022

Tovovavy roa 19 sy 25 taona voasambotry ny polisy misahana ny cybercriminalité teny amin'ny Fasan’ny karana ny fiandohan’ny herinandro teo rehefa nisoloky Cash point iray.

Raha tsiahivina dia tamin’ny 23 jona lasa teo izany hoe : iray volana lasa izay no nisy niantso ny tompona cash point iray teny amin’ny Fasankarana izay nitonona ho rahavavin’ity farany. Samy miasa amin’ny cash point avokoa mantsy izy mirahavavy ka mora amin’ny mpisoloky ny nilaza izany. Tamin’ny antso nifanaovan’izy roa no nilazan’ilay iray fa tsy nisy « solde » intsony ny kaontin’ny laharana finday nampiasainy ka mba andefasana vola izy ary nangataka 650 000 Ar. Nandefa avy hatrany ilay vehivavy voalaza etsy aloha rehefa nihevitra fa rahavaviny tokoa ilay niantso. Taty aoriana rehefa nihaona mivantana izy mirahavavy iraitampo dia fantatra fa fisolokiana no nihatra tamin'ity ramatoa iray satria nifanazava ilay vola tokony haverina amin’izay izy ireo. Nampandre ny mpitandro ny filaminana avy hatrany ity farany rehefa izany. Nandray ny andraikiny avy hatrany ny tompon’andraikitra eo anivon'ny Polisim-pirenena ka nanokatra ny fanadihadiana. Natao ny velam-pandrika ka vehivavy roa no voasambotra teny amin'ny Fasankarana izay toerana misy ilay Cash point voasoloky ihany. Niaiky ireto farany fa nanao ilay asa fisolokiana saingy efa tsy tany amin'izy ireo intsony ilay vola azony. Natolotra ny fampanoavana omaly izy mirahavavy ka naiditra am-ponja vonjimaika.
Pati
Legende : Ireto izy mirahavavy tratra
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT