Fandriampahalemana

Faritr’i 67 ha Olona ao an-tanàna ihany no manendaka


  • Talata 31 Janoary 2023

Mitaraina mafy ny amin’ny hafitsoky ny samy mpiara-belona ireo mponina etsy amin’ny Fokontany 67 ha.

Olona ao amin’ny Fokontany ihany mantsy no nambaran’izy ireo fa manendaka sy manao sinto-mahery ao an-toerana miaraka amin’ny antsy sy ny sabatra. Tsy misaron-tava ireo mpanao ratsy mandritra izany fa avy hatrany dia miseho tsy an-kitahotra ka ireo voaendaka indray no matahotra. Tsy sahy mampandre ny mpitandro ny filaminana izahay hoy ny Renim-pianakaviana iray sao sanatria hiverenany ka matiny eo. Na izany aza anefa hoy hatrany ity Renim-pianakaviana ity dia tokony hiezaka ny tompon’andraikitra hametraka polisy eo amin’ny tobim-piantsonan’ny taxibe eo amin’ny paositra, toerana izay fieren’izy ireo sy fanaovany ny asa ratsiny. Tsy mifidy fotoana moa ireo mpanendaka ireo manao izany asa ratsiny izany eny fa na dia amin’ny andro atoandro aza. Misy amin’ireo mponina ao an-toerana ihany koa moa no nilaza fa misy olona avy any ivelany ihany manampy ireo olona ao an-tanana manao izao asa ratsy izao.
Pati
Legende : Miaina anaty tebiteby ireo mponina etsy amin’ny 67 ha amin’izao
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT