FARITRA MENABE

Lehilahy 75 taona nanolana zazavavy kely 15 taona


  • Zoma 06 Martsa 2026

Lehilahy iray 75 taona no voasambotry

ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny Sampandraharaham-paritra Mikaroka ny fandikan-dalàna (SRPJ) ao Menabe ny 27 Febroary teo, noho ny fanolanana zazavavy kely vao 15 taona monja.‎Nahazo antso avy amin’ny olona tsara sitrapo ny Polisy ny marainan’ny 27 Febroary teo raha tsiahivina, nampahafantatra fa misy lehilahy antitra niray tamin’ny zazavavy tsy ampy taona ao amin’ny fokontany Tanambao Morondava.‎Nidina ifotony avy hatrany ny Polisy nanao ny fizahana ny zava-nisy ka tra-tehaka tao an-trano niaraka tamin’ilay zazavavy ity lehilahy ity. Nosamborina avy hatrany ity lehilahy ity ary nandritra ny fanadihadiana dia niaiky ny heloka vitany izy. ‎Rehefa vita ny fanadihadiana nataon'ny Polisy dia natolotra ny Fampanoavana ny raharaha ny 03 Martsa teo ka naiditra am-ponja vonjimaika ilay dadabe. An-taonany hatrany hoy ny mpahay lalana iray ny sazy mety ho azon'ny mpanolana miankina amin'ilay tranga sy ny zava-misy. Pati
Légende : Ity ilay Rangahy lehibe tsy mifadi-trovana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT