Fandriampahalemana

Faritra Menabe Andihizan’ny dahalo tanteraka!


  • Alarobia 26 Jolay 2023

Manjaka tanteraka ny asan-dahalo any amin’ny Faritra Menabe. Voakasik’izany manokana ny omby izay hataon’ireo dahalo lasibatra mihitsy.

Raha araka ny vaovao azo tao anatin'ny 300km ao anatin'ny faritra Menabe dia in’efatra nifanena tamin'ny andian'olona manara-dia omby nisy nangalatra ireo tompon’andraikitra. In-droa tao anelanelan'i Maindrivazo sy Malaimbady, in-droa tao anelanelan'Ankilizato sy Analaiva. Omby nisy nangalatra avokoa ireo narahin’ny fokonolona ireo izay nahatratra an-jatony. Mikasika ireo omby efa tafaverina amin’ny tompony izay tratra tao Analaiva Morondava ohatra dia niverenan'ny mpangalatra indray roa andro taorian'ny nahazoany azy ka nanjavona tanteraka. Mandry andriran'antsy, miaina anatin’ny tebiteby tsy misy fahataperany ireo mpiompy omby any an-toerana noho izany. Tsiahivina moa fa misy hatrany ireo mahazo tombony amin’ny halatr’omby tahaka izao eto amintsika raha mifatratra any amin’ireo mpiompy kosa ny fahasahiranana.
Pati
Legende : Omby very tao Analaiva ireto amin’ny sary ireto !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT