Fandriampahalemana

Faritra mena i 67 ha Zazalahy roa indray no voaendaka rojo volafotsy


  • Talata 20 Oktobra 2020

Tovolahy iray, 18 taona no voasambotry ny polisy avy ao amin’ny CSP7 ny sabotsy teo teny amin’ny Bonarabe 67 ha .

 

Raha araka ny fantatra dia nanendaka tovolahy kely 12 taona miisa roa, tamina elankelan-trano iray teny 67 ha ny tovolahy. Nosakanan’izy sy ny namany avy hatrany ireo zazalahy ireo, ary nendahiny ny rojo volafotsy teny amin’ny tanany izay misy vatosoa mitentina 480.000 Ar kasa lasa nandositra izy ireo. Nametraka fitoriana avy hatrany ny ray aman-drenin’ireo zazalahy voaendaka ireo. Nisy avy hatrany ny fanadihadiana natao ka fantatra ny toeram-ponenan’ny iray tamin’ireo mpanendaka. Noraisim-potsiny ity farany tamin’ny fotoana nodiany teo amin’ny Cité akaikin’ny Parking 67 ha. Nandritra ny fanadihadiana natao tamin’ity voasambotra ity dia niaiky ny heloka vitany izy. Nambarany kosa fa ilay namany izay nara-nanao ilay asa ratsy taminy no nitondra ilay rojo volafotsy. Mbola karohina io namany io ankehitriny. Natolotra ny fampanoavana omaly ny tovolahy.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT