Fandriampahalemana

Faritra mena Ambatondrazaka Tsy mbola hita popoka ireo gadra tafatsoaka


  • Talata 26 Septambra 2017

Hentitra dia hentitra ny fitandroana ny filaminana sy ny fanaraha-maso ireo olona rehetra mivezivezy any Ambatondrazaka sy ny manodidina amin’izao fotoana.

 

 Misy ny fisavana karatra sy fisavana fiara, indrindra fa amin’ny hariva sy ny alina. Lasa faritra mena mihitsy ny any an-toerana. Mandeha ny hazalambo atao amin’ireo gadra 11 mirahalahy tafavoaka ny fonja ny alin’ny sabotsy teo. Gadra sokajiana ho jiolahy raindahiny ireto tafaporitsaka ireto, araka ny angom-baovao natao tany Ambatondrazaka. Sotro no fantatra fa nampiasain’izy ireo nandavahana tsikelikely ny rindrindra ka nahafahan’izy ireo nitsoaka rehefa antonona olona ilay rindrina. Somary nahagaga ihany ny tsy nahitan’ny mpiambina ny fonja ny zavatra nataon’ireo gadra ireo satria tsy vita vetivety ny mandavaka rindrina fa fotoana maharitra. Tsy nisy mihitsy ve ny fitsirihana tampoka na fanaraha-maso ny tao anatin’ny efitra  (efitrano laharana faha-3) nisy ireto voafonja ireto ? Tombanana fa efa voaomana izao fitsoahana izao. Raha ny marina dia efa lasa lavitra fa tsy any Alaotra intsony ireto gadra tafatsoaka ny fonjan’Ambatondrazaka ireo. Manaporofo koa izao fa efa tena tsizarizary ny fonja eto Madagasikara ka mora ho an’ireo gadra no mitsoaka, indrindra fa any amin’ireo toerana lavitra tanàn-dehibe. Tsy ampy koa ny fitaovan’ny mpiambina fonja ka manahirana ny fikarohana rehefa misy tranga tampoka tahaka izao.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT