Fandriampahalemana

Faritra Atsimo Andrefana Manjaka ny fitsaram-bahoaka tapa-doha


  • Alatsinainy 12 Febroary 2018

Famarinana an-kady ny firenena ny nitondrana ny vahoaka nanafika ny lapam-panjakana teny Ambohitsorohitra Antaninarenina tamin’ny 7 febroary 2009, hoy ny filohan’ny Reg Tim Atsimo Andrefana, Sazalahy Tsianihy.

 

 Ny mampalahelo dia ireo mpiray tanindrazana maty noho ny hetsika natao sy fitarihana tsy am-piheverana nisy. Ireo rehetra nitarika ny vahoaka mpiray tanindrazana niakatra ny lapan’Ambohitsorohitra no tompon’antoka tamin’ny fatiolona tamin’iny fotoana iny ka hatramin’izao. Tompon’antoka ihany koa amin’ny fahasimbana tsy hay refesina ary  amin’ny tsy fandriampahalemana amin’ny lafiny rehetra etsy sy eroa manerana ny nosy izay jerem-potsiny toy ny tany nahalavoana. Tsy mahatoky ny mpitondra misy amin’izao fotoana izao ny vahoaka. Porofo manamarina izany ny fisian’ny dinabe aty amin’ny Faritra Atsimo Andrefana, hoy ity filohan’ny Reg Tim ity. Manana ny fombafombany manokana ny kaominina ambanivohitra Itampolo, Ejeda, Beahitra distrikan’Ampanihy Andrefana tarihan’Atoa isany Elohavatavo sy Enato monina ao amin’ny fokontany Andranovao sy Ankazoabo, kaominina ambanivohitra Itampolo. Mitambatra ny fokonolona manao dina mamory vola 4 alina ariary isaky ny fokontany, nasiana vatan-dehilahy matanjaka roa isaky ny fokontany. 52 no isan’ireo olona ireo manenjika dahalo raindahiny atao hoe : Esalipy sy ireo ekipany monina ao amin’ny fokontany Marofototra sy Beampy kaominina ambanivohitra Beahitra distrikan’Antanimora Andrefana. Matin’ireo lehilahy 52 ireo tao amin’ny fokontany Ranosotry, kaominina ambanivohitra Beahitra ny dahalo iray. Voatafiky ny dahalo koa ny fokontany iray ary ao amin’ny fokontany Ejeda izy ireo amin’izao. Matin’ireo 52 lahy ireo tao amin’ny fokontanin’i Elempy koa ny dahalo iray ary notapahiny ny lohany. Nifanehitra tamin’ireo solontenan’ireo 52 lahy ny dahalo Esalivy ka maro ireo namany tsy mbola tratra. Izay tratra dia notapahana ny lohany entina any amin’ny lehiben’ny dina. Lasa fitsaram-bahoaka ny dina ary lasa fitsaram-bahoaka tapa-doha ny tanàna. Hoy ny vahoaka hoe : mpitondra fanjakana ahoana marina no misy eto amintsika ? Ny fanafihana sy fanakanan-dalana ny taksibrosy efa tsy hita izay hitenenana azy.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT