Fandriampahalemana

Faritra Alaotra Olana goavana ny tsy fandriampahalemana sy ny haratsian-dalana


  • Talata 07 Aogositra 2018

Anisan’ny vato misakana tsy hahafahan’ny Faritra Alaotra Mangoro mandroso ankehitriny ny haratsian-dalana any amin’ny lalam-pirenena faha-44 izay tsy mety vita.

Toraka izay koa ny tsy fandriampahalemana izay tena mahazo vahana tanteraka, indrindra any amin’ny faritra ambanivohitra ka mahatonga ireo tantsaha mpamokatra handry an-tsaha isan-kalina. Manana olana ihany koa izy ireo amin’ny resaka tontolo iainana. Tsy voaaro intsony ny rano, miharipaka ny zetra sy ny bandro. Mitady ho faharoa ihany koa izy ireo amin’ny famokaram-bary noho izay resaka haratsian’ny tontolo iainana izay ihany raha voalohany teo aloha….Manoloana ireo tranga ireo dia nanatanteraka loabary an-dasy nifampidinihan’ireo vato nasondrotry ny tany teny Antaninarenina ny fikambanan’ny zanak’Alaotra ny faran’ny herinandro teo. Lohahevitra noraisin’izy ireo ny hoe : ny FIZALAOTRA sy ny zava-misy ankehitriny manoloana ny fampandrosoana ny faritra. Voafaoka tao avokoa ny resaka sosialy, politika, ekonomika izay hanaovana raki-kevitra hodinihina ary hatolotra ny fitondram-panjakana. Tsy hijanona hatreo anefa izany fa hanaovana fanaraha-maso manokana mba hahafahana mamerina ny lanjan’ity faritra iray ity.

 Pati

Legende : Ny filohan’ny fikambanana FIZALAOTRA, ny jeneraly Rabearivony Justin

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT