Fandriampahalemana

Faritra 67 ha Mody mitrotro zaza ireo mpangaro-paosy


  • Alatsinainy 16 Mey 2022

Tena efa mahita paikady hafa mihitsy ireo mpangarom-paosy amin’izao. Ankoatra ireo mody misisitsisika anaty taxibe dia mody mitrotro zaza indray ny sasany amin’izao mba hanakonany ny asa ratsiny.

Polisy nanao fanamiana sivily nijoro teny amin'ny tobim-piantsonana no nahatsikaritra lehilahy mpangarom-paosy iray nanao izany fihetsika izany teny amin’ny 67 ha ny faran’ny herinandro teo. Mody nitrotro zaza izy kinanjo nanataka poketrana vehivavy iray niandry taxibe teny amin'ny tany malalaka. Nosamborina avy hatrany ity lehilahy ity. Miisa 04 moa izy ireo no tratran'ny Polisy mody izay samy mitondra zaza avokoa kanefa dia mpangarom-paosy sy mpanendaka mianakavy. Ankoatra ilay mitrotro sazy dia efa teknika fampiasan’ny mpangaro-pasoy indrindra fa ireo anaty fiara fitateram-bahoaka ny mody mitazona akanjo amin’ny tanany iray, iny no hanakonany ny paosy na kitapo na poketran’ilay olona ho petahany.Manararaotra ilay misika , misy olona miditra na miala ny Taxi be ireo mpangaro-pasoy no tena manao ny asa ratsiny.
Nangonin’i Pati
Legende : Santionany tamin’ireo tamin’ireo mpangarom-paosy nitrotro zaza tratra
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT