Fandriampahalemana

Faritra 67 Ha Maniry ohatry ny anana ny mpangaro-paosy


  • Alatsinainy 16 Novambra 2020

Raha mbola mihiratra io masoandro io dia tsy maintsy mahazo vaovao foana hoe nisy mpangaro-paosy na mpanao sinto-mahery indray voasambotra teny amin’ny faritra 67 Ha.

 

 

 

Maraina atoandro hariva, no miasa ry zalahy ireto ary tena tsy mifidy asiana fa izay tandrify azy dia ataony avokoa.Ny fahamaroan’ny olona mifamezivezy sy ny fisiana tsena ary tranom-pivarotana maro be eny an-toerana no voalaza fa maha-tamana ny mpangaro-paosy eny.Lehilahy iray, indray 24 taona mipetraka eny Analamahitsy no voasambotra teny amin'ny toby fiantsonan’ny taxibe 67 ha ampitan'ny Havana ny zoma hariva .Nangarona ny paosin’ilay lehilahy iray niara- nijoro taminy teo am-piandrasana taxibe ity ranamana ity ka lasany tamin'izany ny findain’ity farany ary lasa nandositra izy taorian’izany. Nandritra izany no nitsapa tampoka ny paosiny ny tompon’ilay finday ka lasa nanenjika avy hatrany ilay mpangarom-paosy. Tratra teny amin'ny manodidina ihany ity farany saingy tsy hita intsony ny nanaovany ilay finday. Nanda ny fiampampangana azy hatramin’ny farany moa ity lehilahy ity. Milaza ho vahiny eto an-drenivohitra mantsy izy ary vao 2 volana no nahatongavany niasa teto Antananarivo. Natolotra ny fampanoavana tamin’ny sabotsy teo ny raharaha.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT