Fandriampahalemana

Faravohitra Tratra ilay mpanendaka nampitaraina ny maro


  • Talata 12 Aprily 2022

Voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny kaomisaria CSP2 Ambohijatovo teny amin’iny faritra Faravohitra iny ny lehilahy iray 25 taona ny 10 aprily teo tokony ho tamin’ny 4 ora sy 40mn

 

 

 rehefa nanendaka tamin’ny fomba feno herisetra. Naharay antso ireo Polisy mpanao fisafoana teny an-toerana fa misy olona iharan’ny fanendahana eo anoloan’ny lisea Jules Ferry izay lasa faritra mena tokoa. Tonga ara-potoana teny an-toerana ireo mpitandro ny filaminana ka tratra ambodiomby tokoa ilay mpanao ratsy. Mbola tratra teny aminy ilay poketra nendahiny nahitana finday 01, carte bancaire 02, carte de visite maromaro, porte monnaie 01, clé USB miisa 06, cable SD 01. Noentina avy hatrany namonjy ny biraon'ny Polisy moa ity tovolahy ity nanoro ireo namany hafa.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay tovolahy sy ireo zavatra nangalariny

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT