Fandriampahalemana

Faravohitra Mpianatra iray indray no voaendaka finday


  • Alakamisy 09 Martsa 2023

Mpianatra iray indray no voaendaka teny Faravohitra omaly.

Handeha hamonjy fidirana io mpianatra io no narahina lehilahy iray 40 taona moramora avy aoriana. Rehefa variana niantso an-telefaonina ny namany itsy voalohany no sady nihazo ny lalana tsy dia be mpifamezivezy dia nosintonin’ilay Rangahy ny finday teny an-tanany ka lasa nitsoaka izy avy eo.Niantso vonjy ilay niharam-boina noho izany. Ilay mpanao ratsy indray tsy lasa lavitra teo dia nifanehitra tamin’ny Polisy ka noraisim-potsiny. Nandritra ny fisamborana azy dia mbola tratra teny aminy ny finday miisa roa vao avy norobainy teny an-tanan’ilay mpiantra. Eny Andravoahangy moa no mipetraka ity lehilahy mpanendaka ity saingy izao tra-tehaka manao asa ratsy teny Faravohitra izao.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay mpanendaka tratra teny Faravohitra
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT