FARATSIHO

Lehilahy roa nisy namono sy nalevina an-tsokosoko


  • Alatsinainy 18 Desambra 2023

Mirongatra hatrany ny vono olona sy ny tsy fandriampahalemana eto amintsika.

Lehilahy miisa 2 tombanana ho manodidina ny 40 sy 50 taona eo ho eo no nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana ary nalevina tao anaty tany ny Talata lasa teo. Samy avy any Ambohitsampana, kaominin'Ambohiborona, distrikan'i Faratsiho izy roalahy ireo raha araka ny fantatra raha tao Andralaihena Manazary, kaominin'Andranomiely, distrikan'Arivonimamo no nahitana ny vatana mangatsiakany. Olona sendra nandalo no nahita ny tongon’izy ireo nisandrahaka tsy tototry ny tany ka niantsoana ireo manam-pahefana sy ny mpitandro ny filaminana. Rehefa nofongarina ny vatana mangatsiakan’izy ireo nandritra izany dia hitan'ny dokotera sy zandary fa nihoson-drà tanteraka. Nisy ratra koa ny lohany sy ny vatany. Rakotonjanahary Émile sy Rakotoarimanana Modeste moa no anaran’izy ireo. Marihina fa niankohoka no nahitana ny razana. Ny zandarimariam-pirenena ao Manalalondo kosa no mandray an-tanana ny raharaha. Tombanana ho mety andro alina moa no namonoana sy nandevenana azy roalahy ireto.
Nangonin’i Pati
Legende : Efa nihosona tanibe tahaka izao ny vatana mangatsiakan’izy roalahy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT